plt_tn/job/20/12.md

1.2 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'i Joba i Zofara.

Na dia mamy ao am-bavany aza ny haratsiana

Ny "faharatsiana mamy" dia mampiseho fitiavana manao zava-dratsy. DH: "na dia izany aza dia fahafinaretana ho azy tahaka ny tsiron-tsakafo mamy ao am-bavany ny manao zava-dratsy

na dia manafina ...tsy mamela izany handeha

Io mampiseho faniriana ny hanohy ny fankafizana ny faharatsiana tahaka ny faniriana hanohy ny fankafizana ny tsiron'ny sakafo izay tazomina ao am-bava.

mivadika mangidy ny sakafo ao anaty tsinainy

Rehafa mivadika mangidy ao anaty tsinay ny sakafo, dia miteraka faharariana sy tsiro mangidy. Io diansarin-tenin'ny fiainan'ny olona iray fanaintainana vokatry ny fanaovana zava-dratsy. DH: "ireo zava-dratsy ireo dia lasa toy ny sakafo izay mivadika ho mangidy ao an-kibo" na "ny vokatr'ireo zava-dratsy ireo dia fanaintainana tahaka ny sakafo izay marikivy ao an-kibo"

zary poizina bibilava ao anatiny izany

Io sarin-teny io ia ratsy kokoa noho ny sakafo marikivy ao an-kibo. Io dia sarin-tenin'ny olona mizaka ny vokatry ny fanaovana zava-dratsy. DH: "ny vokatry ny fanaovana ireo zava-dratsy ireo dia maharary tahaka ny poizina avy amin'ny bibilava ao anatiny"