forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.9 KiB
Markdown
32 lines
1.9 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin’ny Ankapobeny:
|
||
|
||
Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.
|
||
|
||
# Mpanavotra ahy
|
||
|
||
Eto ny "Mpanavotra" dia manondro ny olona izay hamonjy an'i Joba amin'ny alalan'ny fanaporofoana ny tsy fahamelohan'i Joba, famerenana ny voninahiny, ary fanomezana rariny azy. DH: "ny Mpiaro ahy"
|
||
|
||
# any am-parany dia hitsangana eo amin'ny tany Izy
|
||
|
||
Io dia manondro ny fijororana miteny eo amin'ny fitsarana. Ireo mety ho heviny dia 1) ny Mpanavotra no ho tompon'ny teny farany eo amin'ny fitsarana. DH: "Izay no hitsara raha na ho meloka aho na tsia" na 2) Ny Mpanavotra no hijoro farany eo amin'ny fitsarana farany mba hiaro an'i Joba.DH: "any amin'ny farany dia Izy no hiaro ahy eo amin'ny fitsarana.
|
||
|
||
# aorian'izany ny hoditro ...dia potika
|
||
|
||
Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahapotehan'ny vatany amin'ny alalan'ny aretina na 2) ny fahalovan'ny vatany aorian'ny fahafatesany.
|
||
|
||
# ao amin'ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra
|
||
|
||
Ny nofony dia mampiseho ny vatany ary ny "ao amin'ny nofoko" dia mampiseho fahavelomana. DH : "Rehefa velona ao amin'ny tenako aho dia hahita an'Andiamanitra"
|
||
|
||
# ny masoko mihintsy aho—Izaho, fa tsy olon-kafa
|
||
|
||
Ny andian-teny "ny masoko" dia mampiseho an'i Joba. Ny andian-teny "ny masoko" sy ny " fa tsy olon-kafa" dia manamafy fa hahita an'Andriamanitra marina i Joba. Tsy olon-kafa no hahita an'Andriamanitra ka hitantara azy amin'i Joba.
|
||
|
||
# Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato
|
||
|
||
Ataon'ny olona ho fitoeran'ny fihetsem-po ny fo. Koa ny fo sasa-miandry dia mapiseho ny fananany fihetsem-po tena maro. DH: "tena mihetsi-po ny amin'izany tokoa aho" na "manafotra ahy ny fihetsem-po rehefa misaina ny amin'izany aho" (UDB)
|
||
|
||
# Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato
|
||
|
||
Ireo mety ho heviny dia 1) Mahatsiaro hpo velom-panatenana, feno fisaorana, ary faly tokoa i Joba na 2) mahatsiaro tena ho reraka eo am-piandrasana ny mpanavotra azy i Joba.
|