plt_tn/job/19/25.md

1.9 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Manohy ny firesahany amin'ireo namany telo i Joba.

Mpanavotra ahy

Eto ny "Mpanavotra" dia manondro ny olona izay hamonjy an'i Joba amin'ny alalan'ny fanaporofoana ny tsy fahamelohan'i Joba, famerenana ny voninahiny, ary fanomezana rariny azy. DH: "ny Mpiaro ahy"

any am-parany dia hitsangana eo amin'ny tany Izy

Io dia manondro ny fijororana miteny eo amin'ny fitsarana. Ireo mety ho heviny dia 1) ny Mpanavotra no ho tompon'ny teny farany eo amin'ny fitsarana. DH: "Izay no hitsara raha na ho meloka aho na tsia" na 2) Ny Mpanavotra no hijoro farany eo amin'ny fitsarana farany mba hiaro an'i Joba.DH: "any amin'ny farany dia Izy no hiaro ahy eo amin'ny fitsarana.

aorian'izany ny hoditro ...dia potika

Ireo mety ho heviny dia 1) ny fahapotehan'ny vatany amin'ny alalan'ny aretina na 2) ny fahalovan'ny vatany aorian'ny fahafatesany.

ao amin'ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra

Ny nofony dia mampiseho ny vatany ary ny "ao amin'ny nofoko" dia mampiseho fahavelomana. DH : "Rehefa velona ao amin'ny tenako aho dia hahita an'Andiamanitra"

ny masoko mihintsy aho—Izaho, fa tsy olon-kafa

Ny andian-teny "ny masoko" dia mampiseho an'i Joba. Ny andian-teny "ny masoko" sy ny " fa tsy olon-kafa" dia manamafy fa hahita an'Andriamanitra marina i Joba. Tsy olon-kafa no hahita an'Andriamanitra ka hitantara azy amin'i Joba.

Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato

Ataon'ny olona ho fitoeran'ny fihetsem-po ny fo. Koa ny fo sasa-miandry dia mapiseho ny fananany fihetsem-po tena maro. DH: "tena mihetsi-po ny amin'izany tokoa aho" na "manafotra ahy ny fihetsem-po rehefa misaina ny amin'izany aho" (UDB)

Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato

Ireo mety ho heviny dia 1) Mahatsiaro hpo velom-panatenana, feno fisaorana, ary faly tokoa i Joba na 2) mahatsiaro tena ho reraka eo am-piandrasana ny mpanavotra azy i Joba.