plt_tn/job/17/01.md

1.7 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny:

Manohy miteny i Joba.

Levona ny fanahiko

Manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "fanahy" i Joba mba hanamafisana ny fihetsem-po anaty. Resahiny toy ny hoe zavatra efa nampiasaina ny tsy fananany tanjaka intsony. DH: "levona aho" na "very avokoa ny heriko rehetra"

tapitra ny androko

Manondro ny fiainana amin'ny "androny" i Joba. DH: "tapitra ny fotoako" na "ho faty tsy ho ela aho"

efa vonona ho ahy ny fasana

Io andian-teny io dia mamaritra ny "fasana" toy ny hoe olona izay mandray an'i Joba ho vahiny. DH: "tsy ho ela dia ho faty aho ka halevina"

Marina tokoa fa misy mpandrabiraby eto amiko

"ireo izay manodidina ahy dia madrabiraby ahy"

Marina tokoa

"marina tokoa"

tsy maintsy hijery...ny masoko

Manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "maso" i Joba mba hanamafisana izay hitany. DH: "tsy maintsy hahita lalandava aho" na "tsy maintsy haheno lalandava aho"

ny fihantsian'izy ireo

"ny faniratsiran'izy ireo." Ny teny "fihantsiana" dia azo aseho amin'ny matoanteny. DH: "izy ireo izay mihantsy ahy" na "izy ireo, miezaka mampatezitra ahy"

Manomeza antoka izao, aoka ho antoka ho ahy ianao miaraka amin'ny tenanao

Manomboka miresaka amin'Andriamanitra i Joba. Eto dia miresaka ny zava-misy aminy ho toy ny hoe tany am-ponja izy. Mangataka an'Andriamanitra mba hanome antoka mba hanafahana azy izy. DH: "Andriamanitra o, manomeza antoka ankehitriny mba ho afaka amin'ity gadra ity aho" na "mandoava mba ho fanafahana ahy amin'ny gadra"

iza koa no eto hanampy ahy?

Mampiasa io fanontaniana faùmpisainana io i Joba mba hanamafisana fa tsy misy olona hafa hanampy azy. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy misy olona hafa hanampy ahy"