plt_tn/job/17/01.md

40 lines
1.7 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana aminny Ankapobeny:
Manohy miteny i Joba.
# Levona ny fanahiko
Manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "fanahy" i Joba mba hanamafisana ny fihetsem-po anaty. Resahiny toy ny hoe zavatra efa nampiasaina ny tsy fananany tanjaka intsony. DH: "levona aho" na "very avokoa ny heriko rehetra"
# tapitra ny androko
Manondro ny fiainana amin'ny "androny" i Joba. DH: "tapitra ny fotoako" na "ho faty tsy ho ela aho"
# efa vonona ho ahy ny fasana
Io andian-teny io dia mamaritra ny "fasana" toy ny hoe olona izay mandray an'i Joba ho vahiny. DH: "tsy ho ela dia ho faty aho ka halevina"
# Marina tokoa fa misy mpandrabiraby eto amiko
"ireo izay manodidina ahy dia madrabiraby ahy"
# Marina tokoa
"marina tokoa"
# tsy maintsy hijery...ny masoko
Manondro ny tenany amin'ny alalan'ny "maso" i Joba mba hanamafisana izay hitany. DH: "tsy maintsy hahita lalandava aho" na "tsy maintsy haheno lalandava aho"
# ny fihantsian'izy ireo
"ny faniratsiran'izy ireo." Ny teny "fihantsiana" dia azo aseho amin'ny matoanteny. DH: "izy ireo izay mihantsy ahy" na "izy ireo, miezaka mampatezitra ahy"
# Manomeza antoka izao, aoka ho antoka ho ahy ianao miaraka amin'ny tenanao
Manomboka miresaka amin'Andriamanitra i Joba. Eto dia miresaka ny zava-misy aminy ho toy ny hoe tany am-ponja izy. Mangataka an'Andriamanitra mba hanome antoka mba hanafahana azy izy. DH: "Andriamanitra o, manomeza antoka ankehitriny mba ho afaka amin'ity gadra ity aho" na "mandoava mba ho fanafahana ahy amin'ny gadra"
# iza koa no eto hanampy ahy?
Mampiasa io fanontaniana faùmpisainana io i Joba mba hanamafisana fa tsy misy olona hafa hanampy azy. Io dia azo adika ho fanambarana. DH: "tsy misy olona hafa hanampy ahy"