plt_tn/job/16/15.md

1.0 KiB

Nozairiko teo an-koditro ny akanjo fisaonana

Miresaka ny fiankanjoana akanjo vita tamin'ny lamba fisaonana ho toy ny hoe akanjo mirikitra amin'ny tenany i Joba. Mitafy akanjo fisaonana ny olona mba hanehoana fisaonana na alahelo mafy. DH: "nozairiko nitambatambatra ny akanjo fisaonana mba hiakanjoako ho fitafiako" na "miakanjo fitafiana izay namboariko tamin'ny akanjo fisaonana aho satria misaona"

efa nalentiko tao amin'ny tany ny tandroko

Ny "tandrok'i Joba" dia mampiseho ny hery sy ny fahefana izay nananany tany aloha saingy tsy misy intsiny ankehitriny. DH: "Mipetraka eto amin'ny loto aho, btena ketraka" (UDB)

eo amin'ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana

Ny mason'i Joba eto dia aseho amin'ny alalan'ny "hodi-masony." Miresaka ny ny masony maloka toy ny hoe maso mijery olona maty i Joba. DH: misy faribolana maizina manodidina ny masoko" na maizina ny masoko, tahaka ny mason'ny olona maty"

tsy misy herisetra ny tanako

Ny "tanana" eto dia mampiseho ny fahafahan'ny olona iray sy ny asany. DH: "Tsy nanao fihetsika mahery setra aho"