plt_tn/job/16/13.md

1.1 KiB

Manodidina ahy ireo mpanipy zana-tsipìkany

Joba dia miresaka ny tenany ho tarigetran'ny fanafian'Andriamanitra ho toy ny hoe nametraka azy ho zava-kendrena ary manana tsipìka hamelezana azy Andriamanitra. DH: "toy ny hoe nanodidina ahy mpanipy zana-tsipìkany"

tsindronin' Andriamanitra tsy hananany hantra ny voako; ararany amin'ny tany ny aferoko

Miresaka ny fanaintainana tsapany amin'ny alan'ny fampitahana izany amin'ny fanindronan'Andriamanitra ny tenany amin'ny tsipìka i Joba. Ny "Andriamanitra" eto dia mampiseho ny tsipìka hitifirany. DH: "tsapako ho toy ny nanindrona ny voako sy ny atiko ary nandratraka ny aferoko tamin'ny tany ny tsipìkan'Andriamanitra. Tsy mihantra ahy Izy"

Velesiny hatrany hatrany ny rindriko

Miresaka ny fanaintainana izay tsapany amin'ny alalan'ny fampitahana ny tenany amin'ny rindrina izay potehin'Andriamanitra i Joba. DH: "Tsapako ho toy rindrina izay potehin'Adriamanitra aho" na "tsapako ho toy ny rindrina ravan'Andriamanitra aho"

mihazakazaka manatona ahy toy ny mpiady Izy

Soritan'i Joba ho toy ny miaramila mamely azy Andriamanitra. DH: "toy ny hoe mpiady mihazakazaka manatona ahy mba hanafika ahy Izy"