plt_tn/job/15/01.md

1.2 KiB

Elifaza ilay Temanita

Io dia anran-dehilahy. Olona avy any Temana dia fantatra amin'ny hoe Temanita. Adikao toy ny ao amin'ny 2:11.

Tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ve ny olon-kendry iray ka hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinanana

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Elifaza mba hitenenana mafy an'i Joba. Io dia azo soratana ho fanambarana. DH: "tsy tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ny olon-kendry na hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinana"

hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinanana

Ny rivotra dia mampiseho fahafoanana. Io andian-teny io dia miresaka olona miteny zava-poana sy teny tsy misy dikany izay olona feno rivotra. DH: "Mameno ny tenany amin'ny teny foana" na "teny tsy misy dikany ihany no hanany"

rivotra avy any atsinanana

"rivotra mafana" (UDB) na "rivotry ny efitra"

Tokony handahatra amin'ny teny tsy mahasoa ve izy na amin'ny lahateny izay tsy hanasoavany akory?

Mampiasa io teny fampisainana io mba hitenenana mafy an'i Joba. Io dia azo adikaho fanambarana. DH: "tsy tokony hifandahatra amin'ny resaka tsy mahasoa izay tsy hanasoavany akory izy" na "tsy tokony hiady hevitra amin'ny resaka tsy mahasoa na fanaovaona lahateny izay tsy manatanteraka fanasoavana izy"