plt_tn/job/14/04.md

1.1 KiB
Raw Permalink Blame History

Fampahafantarana aminny Ankapobeny :

Fampahafantarana aminny Ankapobeny: Manohy ny firesahany aminAndriamanitra i Joba.

Iza no afaka mitondra zavatra madio avy amin'ny zavatra maloto?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba handresen-dahatra an'Andriamanitra mba hampiharany izay fantany mahakasika ny zava-maloto amin'i Joba. DH: "Tsy misy mahatondra zavatra madio avy amin'ny zavatra maloto"

Voafaritra ny andron'ny olona

DH: "mamaritra ny andron'ny olona Ianao" na "manapa-kevitra ny amin'ny halavan'ny fiainan'olona Ianao"

Ianao no manapaka ny isan'ny volana iainany

Ny isan'ny volan'ny olombelona eo amin'Andriamanitra dia mampiseho ny fandidian'Andriamanitra ny amin'ny isan'ny volana iainan'ny olombelona. "Ianao no mandidy ny isan'ny volana iainany"

ianao no nanondro ny fetrany izay tsy azony hihoarana

Ny fe-potoana dia mampiseho ny fetran'ny fotoana iainana izay nataon'Andriamanitra hafatesan'ny olona. DH: "efa nanondro ny fotoana izay hafatesany Ianao, ary tsy afaka hiaiana mihoatra izany izy.

ny mpikarama

ny olona izay karamaina mba hiasa ry mody avy eo.