plt_tn/job/13/09.md

1018 B

Mety aminareo tokoa ve raha mizaha anareo Izy?

Eto, ny "mitady" dia sarin-tenin'ny "mizaha anareo." Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hampitandremana ireo namany fa raha mizaha azy ireo Andriamanitra, dia hilaza izy manao ny tsy mety izy ireo. DH: "Raha mizaha anreo Andriamanitra, dia tsy ho tsara aminareo izany."

Afaka ny hamitaka Azy tahaka ny mety ho famitahanareo olona ve ianareo?

Mampiasa io fanontaniana io i Joba mba hampitandremana ireo namany fa mahalala ny marina rehatra mahakasika azy ireo Andriamanitra. DH: "Mety hahavita hamitaka olona ianareo, kanefa tsy afaka hamitaka an'Andriamanitra."

Hananatra anareo

"hiteny mafy"

raha nampiseho fiangarana miafina ianareo

Ny fanehoana fiangarana dia manondro ny fitenenana zavatra tsara mahakasika olona ihany mba hilazan'ny mpitsara fa marina ilay olona. Ny fanaovana izany mangina dia midika fa mody miteny ara-drariny, kanefa tena mankasitraka olona iray eo amin'ireo hafa. DH: "raha maneho fankasitrahana mangina amin'ny hafa ianareo"