plt_tn/job/12/24.md

1.0 KiB

Manala ny fahazavan-tsaina amin'ireo mpitariky ny olon'ny tany Izy

Ny fanalana ny fahazavan-tsain'izy ireo dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afa-mahatakatra. DH: "Ataony tsy afa-mahatakatra ireo mpitarika ny olon'ny tany"

hirenireniny any an'efitra izay tsy misy lalana

Ny firenirenena any an'efitra izay tsy misy lalana dia mampiseho ny fahasarotan'ny toe-draraha sy ny tsy fahafantarana ny hatao. DH: "tsy mahazo antoka ny zavatra atao tahaka olona mirenireny any amin'ny tany ngazana tsy misy lalana"

Mitsapatsapa ao amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo

Ny ao anaty aizina tsy misy hazavana dia mampiseho ny tsy fisiam-pahalalana. DH: "sahirana mandray fanapahan-kevitra tsy amim-pahalalana toy ny olona sahirana madeha amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo"

mampivembena azy ireo tahaka ny olona mamo Izy

Ny fivembenana na firenireniavana tahaka ny olona mamo dia mapiseho fahavelomana tsy misy tanjona. DH: "ataon'ny velona tsy misy tanjona tahaka ny olona mamo izay mivembena rehefa mandeha izy ireo"