# Manala ny fahazavan-tsaina amin'ireo mpitariky ny olon'ny tany Izy Ny fanalana ny fahazavan-tsain'izy ireo dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afa-mahatakatra. DH: "Ataony tsy afa-mahatakatra ireo mpitarika ny olon'ny tany" # hirenireniny any an'efitra izay tsy misy lalana Ny firenirenena any an'efitra izay tsy misy lalana dia mampiseho ny fahasarotan'ny toe-draraha sy ny tsy fahafantarana ny hatao. DH: "tsy mahazo antoka ny zavatra atao tahaka olona mirenireny any amin'ny tany ngazana tsy misy lalana" # Mitsapatsapa ao amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo Ny ao anaty aizina tsy misy hazavana dia mampiseho ny tsy fisiam-pahalalana. DH: "sahirana mandray fanapahan-kevitra tsy amim-pahalalana toy ny olona sahirana madeha amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo" # mampivembena azy ireo tahaka ny olona mamo Izy Ny fivembenana na firenireniavana tahaka ny olona mamo dia mapiseho fahavelomana tsy misy tanjona. DH: "ataon'ny velona tsy misy tanjona tahaka ny olona mamo izay mivembena rehefa mandeha izy ireo"