plt_tn/job/12/22.md

964 B

Maneho zavatra lalina avy ao amin'ny aizina Izy

Ny fanehoana zavatra dia mampiseho ny fampahafantarana azy ireo. "Zava-dalina avy ao amin'ny aizina" dia mampiseho ireo tsiambaratelo izay tsy fantatry ny olona. DH: "Mampahafantatra ireo tsiambaratelo izay tsy fantatry ny olona Izy"

mamoaka ny aloka izay misy ireo olona maty ho amin'ny fahazavana

Ny fitondrana zavatra mivoaka ho amin'ny mazava dia mampiseho ny fampahafantarana azy ireo. DH: "mampahafantatra ny toerana misy ny olona maty"

manitatra ireo firenena Izy

"Ataony miha lehibe hatraiza hatraiza ny tanin'ny vondron'olona" na "Ampahazoany tany maro kokoa ireo firenena"

tarihany toy ny voafonja ihany koa izy ireo

Ny fitarihan'Andriamanitra ireo firenena dia mampiseho fanaovan'Andriamanitra azy ireo ho tarihin'ny fahavalony. Ny teny "izy ireo" dia mampiseho ireo firenena, izay eto dia mampiseho ny olon'ireo firenena ireo. DH: "Ataony mitarika azy ireo toy ny voafonja ny fahavalony"