plt_tn/job/12/19.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Manala ny voninahitry ny mpisorona amin'alahelo Izy
Ny manala ny voninahitr'ireo mpisorona dia mampiseho ny fanala azy ireo amin'ny fahefana.
# Amin'alahelo
Ny anarana "alahelo" dia azo aseho amin'ny teny hoe "mampalahelo" na "ory" DH: "ary tena malahelo izy ireo" na "ory izy ireo"
# mandrava ny olona mahery
"mandresy ny olona mahery Izy"
# Manaisotra ny lahatenin'ireo izay nitokiana Izy
Fanesorana ny lahatenin'ireo dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afa-miteny. DH: "Ataony tsy afa-miteny ireo izay nitokiana" na "Mampangina ireo olona izay nitokian'ny hafa Izy"
# alàny amin'ireo loholona ny fahazavan-tsaina
Ny fanalana ny fahazavan-tsaina dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afaka mahatakatra na mandray fepetra tsara. DH: "Manao ireo loholona ho tsy afa-mahatakatra" na "manao ireo loholona ho tsy afaka mandray fepetra tsara"
# ireo loholona
Ireo mety ho heviny dia 1) ireo zokiolona na 2) ireo mpitarika.
# Mandatsaka fanamavoana amin'ny andrian-dahy Izy
Ny fandatsahana fanamavoana amin'ireo andrian-dahy dia sarin-tenin'ny fahatsapan'ny olona ho voamavon'izy ireo. DH: "Ataony mahatsapa tsy fanajana lehibe amin'izay manapaka azy ny olona"
# mamaha ny fehin-kibon'ny olo-matanjaka
Ny fehin-kibo dia famantarana ny tanjaka. Ny famahana ny fehin-kibon'ny olona matanjaka dia mampiseho ny fanalana ny tanjany ny fampalemena azy. DH: "mampalemy ny olo-matanjaka"