plt_tn/job/12/19.md

1.4 KiB

Manala ny voninahitry ny mpisorona amin'alahelo Izy

Ny manala ny voninahitr'ireo mpisorona dia mampiseho ny fanala azy ireo amin'ny fahefana.

Amin'alahelo

Ny anarana "alahelo" dia azo aseho amin'ny teny hoe "mampalahelo" na "ory" DH: "ary tena malahelo izy ireo" na "ory izy ireo"

mandrava ny olona mahery

"mandresy ny olona mahery Izy"

Manaisotra ny lahatenin'ireo izay nitokiana Izy

Fanesorana ny lahatenin'ireo dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afa-miteny. DH: "Ataony tsy afa-miteny ireo izay nitokiana" na "Mampangina ireo olona izay nitokian'ny hafa Izy"

alàny amin'ireo loholona ny fahazavan-tsaina

Ny fanalana ny fahazavan-tsaina dia mampiseho ny fanaovana azy ireo ho tsy afaka mahatakatra na mandray fepetra tsara. DH: "Manao ireo loholona ho tsy afa-mahatakatra" na "manao ireo loholona ho tsy afaka mandray fepetra tsara"

ireo loholona

Ireo mety ho heviny dia 1) ireo zokiolona na 2) ireo mpitarika.

Mandatsaka fanamavoana amin'ny andrian-dahy Izy

Ny fandatsahana fanamavoana amin'ireo andrian-dahy dia sarin-tenin'ny fahatsapan'ny olona ho voamavon'izy ireo. DH: "Ataony mahatsapa tsy fanajana lehibe amin'izay manapaka azy ny olona"

mamaha ny fehin-kibon'ny olo-matanjaka

Ny fehin-kibo dia famantarana ny tanjaka. Ny famahana ny fehin-kibon'ny olona matanjaka dia mampiseho ny fanalana ny tanjany ny fampalemena azy. DH: "mampalemy ny olo-matanjaka"