plt_tn/job/03/11.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny Ankapobenhy

Io andalan-teny io dia mirakitra ireo fanontaniana fampisainana, izay anontanian'i Joba mba hanaovana karazana fanambarana.

Nahoana re aho no tsy maty rehefa nivoka avy tao an-kibo?

"Nahoana re aho no tsy maty teo am-pahaterahana?" mametraka io fanontaniana io i Joba mba hanozonana ny andro nahaterahany sy mba hanehoana ny fangirifiriany. DH: "Tiako raha mba maty tamin'ny andro nahaterahako aho"

Nahoana aho no tsy nandao ny fanahiko raha niteraka ahy ny reniko?

Ny tian'i Joba lazaina dia ny mba tsy hahaterahany velona. DH: "Tiako raha mba maty aho raha nivoaka avy ao an-kibo."

nandao ny fanahiko

Io dia manondro fahafatesana

Nahoana no nitsena ahy ireo lohaliny?

Mety manondro ny fiampofoan'ny renin'i Joba angamba io. Ireo lohaliky ny renininy di resahina toy ny olona izay afaka mitsena zaza vao teraka. DH: "Tiako raha tsy nisy fiampofoana nitsena ahy."

Nahoana no nandray ahy ireo nonony mba hahafahako mitsetsitra?

Ny nonon'ny renin'i Joba dia resahina toy ny olona izay afaka mitsena zaza mena vava. DH: "Tiako raha mba tsy nisy nono hinonoana ho ahy."