plt_tn/job/03/08.md

1.4 KiB

ireo izay mahalala ny fomba hamohazana ny Leviatana

Joba eto dia mety manondro ireo mpanao ody na ombiasy, izay hinoany fa mety hahavita hiantsy ireo Leviatana amin'ny alalan'ny korontana. Leviatana dia biby fanta-daza tany amin'ny angano Tandrefana Fahagola, izay noheverina ho fototry ny karazam-pahapotehana, fisavoritahana, ary fikorontanana rehetra.

ho maizina anie ireo kintan'ny andro vao mangiran-dratsin'izany

io dia manondro ireo planeta izay matetika hita mialohan'ny mangiran-dratsy. DH: "Ho maizina anie ireo kintana izay miseho alohan'ny voalohan-kazavan'izany andro izany"

hitady fahazavana anie izany andro izany, saingy tsy hahita

Ny andro izay nahaterahan'i Joba dia lazaina ho toy ny olona mitady zavaytra. DH: "Haniry hazavana anie izany andro izany, saingy tsy hahazo."

na hahita ireo hodi-mason'ny vao mangiran-dratsy

ny vao mangiran-dratsy dia lazaina ho toy ny hodi-maso izay hananan'ny olona iray. DH: "na hahita ny voalohan-kazavan'ny vao mangiran-dratsy."

satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ny reniko izany

Ny kibom-behivavy dia lazaina ho toy ny fitoeran-javatra misy varavarana DH: "satria tsy nanidy ny kibon-dreniko izany andro izany"

satria tsy nanafina ireo fahoriana tsy ho eo imasoko izany

Ny andro nahaterahan'i Joba eto dia lazina ho toy ny olona izay afaka manafin-javatra.

tsy ho eo imasoko

Ny "maso" eto dia mampiseho ny olona izay niara-nahita tamin'izy ireo. DH: "Tsy ho eo amiko"