plt_tn/jhn/19/14.md

1020 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Efa ora maro no dila ary tonga amin'ny ora faha-enina, ka nanome baiko an'ireo miaramila Pilato ny mba hanomboana an'i Jesosy.

Ary

Ity teny ity dia manamarika fihatoana eo amin'ny fizotry ny tantara mba hafahan'i Jaona manome fampahafantarana fototra momban'ny amin'ny Paska izay ho avy sy amin'ny fotoan'andro.

ora faha-enina

"manodidina ny mitatao vovonana"

Hoy Pilato tamin'ireo Jiosy

Eto ny hoe "ireo Jiosy" dia entina maneho ireo mpitarika Jiosy izay manohitra an'i Jesosy. DH: "Pilato dia nilaza tamin'ireo mpitarika Jiosy"

Tokony hanombo ny mpanjakanareo ve aho?

Eto ny hoe "aho" dia maneho ireo miaramilan'i Pilato izay hanao mivantana ny fanomboana. DH: "Tena tianareo ho teneniko ve ny miramilako hoe fantsio amin'ny hazofijaliana ny mpanjakanareo?"

Avy eo dia natolotr'i Pilato azy ireo ho homboina Jesosy.

Eto pilato dia manome baiko an'ireo miaramilany mba hanombo an'i Jesosy. DH: "Ka nanome baiko an'ireo miaramilany Pilato mba hanombo an'i Jesosy"