plt_tn/jhn/12/23.md

1007 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Jesosy dia manomboka mamaly an'i Filipo sy Andrea.

Efa tonga ny fotoana hanomezana voninahitra ny Zanak'Olona

Jesosy dia milaza eto fa fotoana izao hanomezan'Andriamanitra voninahitra ny Zanak'Olona amin'ny alalan'ny fijaliany, fahafatesana ary fitsanganana amin'ny maty. DH: "Andriamanitra dia hanome voninahitra Ahy tsy ho ela rehefa maty Aho ka hitsangana indray"

marina, dia marina tokoa

Adikao amin'ny fomba manazava ity fa izay manaraka eo dia manan-danja sady marina. Jereo ny nandikanao ny "Marina, dia marina tokoa" tao amin'ny 1:49.

fa raha tsy latsaka amin'ny tany ny voam-bary ka maty ... dia hamokatra be

Eto ny "voam-bary" dia sari-teny hilazana ny fahafatesana, ny fandevenana ary ny fitsanganan'i Jesosy amin'ny maty. Tahaka ny voa izay nambolena ka nitombo ho lasa zava-maniry izay hitondra voa maro, dia torak'izany koa ny olona maro izay hahatoky an'i Jesosy aorian'ny famonoana, ny fandevenana ary ny fitsanganan'i Jesosy amin'ny maty.