plt_tn/jhn/12/23.md

16 lines
1007 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Jesosy dia manomboka mamaly an'i Filipo sy Andrea.
# Efa tonga ny fotoana hanomezana voninahitra ny Zanak'Olona
Jesosy dia milaza eto fa fotoana izao hanomezan'Andriamanitra voninahitra ny Zanak'Olona amin'ny alalan'ny fijaliany, fahafatesana ary fitsanganana amin'ny maty. DH: "Andriamanitra dia hanome voninahitra Ahy tsy ho ela rehefa maty Aho ka hitsangana indray"
# marina, dia marina tokoa
Adikao amin'ny fomba manazava ity fa izay manaraka eo dia manan-danja sady marina. Jereo ny nandikanao ny "Marina, dia marina tokoa" tao amin'ny 1:49.
# fa raha tsy latsaka amin'ny tany ny voam-bary ka maty ... dia hamokatra be
Eto ny "voam-bary" dia sari-teny hilazana ny fahafatesana, ny fandevenana ary ny fitsanganan'i Jesosy amin'ny maty. Tahaka ny voa izay nambolena ka nitombo ho lasa zava-maniry izay hitondra voa maro, dia torak'izany koa ny olona maro izay hahatoky an'i Jesosy aorian'ny famonoana, ny fandevenana ary ny fitsanganan'i Jesosy amin'ny maty.