plt_tn/jhn/10/25.md

707 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy manomboka mamaly ireo Jiosy.

amin'ny anaran'ny Raiko

Eto ny "anarana" dia maneho ny herin'Andriamanitra. Eto ny "Ray" dia fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra. Jesosy dia manao fahagagana amin'ny alalan'ny hery sy fahefan'ny Rainy. DH: "amin'ny alalan'ny herin'ny Raiko" na "miaraka amin'ny herin'ny Raiko"

ireo no manambara ny mahakasika Ahy

Ny fahagagany dia manome porofo momba Azy tahaka ny olona izay mijoro vavolombelona hanome porofo eo amin'ny kianjan'ny fitsarana. DH: "manome porofo mahakasika Ahy"

tsy mba ondriko

Ny teny hoe "ondry" dia sari-teny ho an'ireo mpanara-dia an'i Jesosy. DH: "tsy mpanara-dia Ahy" na "tsy mba ireo mpianatro"