# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy manomboka mamaly ireo Jiosy. # amin'ny anaran'ny Raiko Eto ny "anarana" dia maneho ny herin'Andriamanitra. Eto ny "Ray" dia fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra. Jesosy dia manao fahagagana amin'ny alalan'ny hery sy fahefan'ny Rainy. DH: "amin'ny alalan'ny herin'ny Raiko" na "miaraka amin'ny herin'ny Raiko" # ireo no manambara ny mahakasika Ahy Ny fahagagany dia manome porofo momba Azy tahaka ny olona izay mijoro vavolombelona hanome porofo eo amin'ny kianjan'ny fitsarana. DH: "manome porofo mahakasika Ahy" # tsy mba ondriko Ny teny hoe "ondry" dia sari-teny ho an'ireo mpanara-dia an'i Jesosy. DH: "tsy mpanara-dia Ahy" na "tsy mba ireo mpianatro"