plt_tn/jhn/10/14.md

842 B

Izaho no mpiandry ondry tsara

Jesosy eto ilay mpiandry tsara. DH: "Izaho dia tahaka ny mpiandry ondry tsara"

Ny Ray mahafantatra Ahy, ary Izaho mahafantatra ny Ray

Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka dia mifankafantatra tsy tahaka ny fahafantaran'ny olona hafa azy ireo. Ny "Ray" dia fiantsoana manan-danja an'Andriamanitra.

Izaho manolotra ny aiko ho an'ny ondry

Ity dia midika fa Jesosy dia vonona ny hanome ny ainy mba hiarovana ny ondriny. DH: "Maty ho an'ny ondry Aho"

Manana ondry hafa

Eto ny "ondry hafa" dia sari-teny hilazana ireo mpanara-dia an'i Jesosy izay tsy Jiosy.

andiany iray ihany sy mpiandry iray

Eto ny "andiany" sy "mpiandry" dia sari-teny. Ireo mpanara-dia an'i Jesosy rehetra, Jiosy sy tsy Jiosy, dia ho tonga andian'ondry iray. Izy dia ho tahaka ny mpiandry ondry izay mikarakara azy rehetra.