plt_tn/jhn/08/52.md

876 B

Jiosy

Eto ny "Jiosy" dia entina hilazana ireo "mpitarika Jiosy" izay manohitra an'i Jesosy. DH: "ireo mpitarika Jiosy"

hahita fahafatesana

Ity dia fomba fiteny izay midika hoe hiaina fahafatesana. Ireo mpitarika Jiosy dia diso fihevitra raha nieritreritra fa Jesosy dia miresaka momban'ny fahafatesana ara-nofo fotsiny ihany. DH: "maty"

Tsy lehibe noho ny rainay Abrahama izay efa maty Ianao, sa ve lehibe

Ireo mpitarika Jiosy dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa Jesosy dia tsy lehibe noho Abrahama. DH: "Mazava ho azy fa Ianao dia tsy lehibe noho ny rainay Abrahama izay efa maty tokoa!"

rainay

"razambe"

Manao ny tenanao ho iza moa Ianao?

Ireo Jiosy dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hitenenana mafy an'i Jesosy nohon'ny fieritreretana fa lehibe noho Abrahama Izy. DH: "Ianao dia tsy tokony hieritreritra hoe manan-danja be Ianao!"