plt_tn/jer/47/05.md

931 B

fahasolana

Ny fanasolana ny loha amin'ny ampahany na manontolo dia mari-pamantarana ho fanehoana alahelo lehibe ataon'ireo mpanompo sampy any amin'ireo firenena toy i Filistina.

ho hampanginina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany

DH: "ho vonoina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany."

Mandra-pahoviana no handidinareo ny tenanareo amin'ny fisaonana

Ny fandidina hoditra dia fomba fanao hafa ataon'ireo mpanompo sampy rehefa misaona ny maty izy ireo.

sabatr'i Yaveh

Io andian-teny io dia manondro ny tafika avy any avaratra izay nampiasain'i Yaveh mba hanasaziana ireo Filistina.

Mandra-pahoviana no hisian'izany mandra-panginanareo

Ireo vahoakan'i Filistina dia nametraka io fanontaniana io mba hanehoana ny tahotra mafin'izy ireo mahakasika ilay fandravana hateraky ny fahavalon'izy ireo.

Ahoana no ahafahanao mangina, fa Yaveh no efa nandidy anao

Ny "anao" dia manondro ilay "sabatr'i Yaveh."