plt_tn/jer/47/05.md

24 lines
931 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# fahasolana
Ny fanasolana ny loha amin'ny ampahany na manontolo dia mari-pamantarana ho fanehoana alahelo lehibe ataon'ireo mpanompo sampy any amin'ireo firenena toy i Filistina.
# ho hampanginina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany
DH: "ho vonoina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany."
# Mandra-pahoviana no handidinareo ny tenanareo amin'ny fisaonana
Ny fandidina hoditra dia fomba fanao hafa ataon'ireo mpanompo sampy rehefa misaona ny maty izy ireo.
# sabatr'i Yaveh
Io andian-teny io dia manondro ny tafika avy any avaratra izay nampiasain'i Yaveh mba hanasaziana ireo Filistina.
# Mandra-pahoviana no hisian'izany mandra-panginanareo
Ireo vahoakan'i Filistina dia nametraka io fanontaniana io mba hanehoana ny tahotra mafin'izy ireo mahakasika ilay fandravana hateraky ny fahavalon'izy ireo.
# Ahoana no ahafahanao mangina, fa Yaveh no efa nandidy anao
Ny "anao" dia manondro ilay "sabatr'i Yaveh."