plt_tn/jer/46/23.md

24 lines
789 B
Markdown

# Hanapaka ny ala izy ireo
Ireo tafika ho avy hanafika dia ho tahaka ny mpanapaka hazo manapaka ny ala manontolo. DH: "Hanapaka ireo tanànan'i Egypta ny tafika Babyloniana."
# izy ireo
Io dia manondro ny tafikin'ny firenen'i Babylona manafika an'i Egypta.
# izany no fanambaran'i Yaveh
Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7.
# mikitroka tokoa aza izany
Io dia manondro ny fivelarana sy fifanakaikezan'ireo tanànan'i Egypta.
# Ho afa-baraka ny zanaka vavin'i Egypta
Jeremia dia milaza fa ny vahoakan'i Egypta dia ho menatra eo anatrehan'ireo firenena ary satria ireo vehivavy sy tovovavy dia ho voaolan'ireo miaramilan'i Babylona.
# eo an-tanan'ny vahoaka avy any avaratra
Ny hevin'io fehezanteny io eto dia hoe: "ny tanjakin'ny firenen'i Babylona avy any avaratra."