plt_tn/jer/30/14.md

883 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.

ireo olon-tianao rehetra

Yaveh dia mamaritra an'Israely ho toy ny vehivavy mampirafy izay maka olon-tiana hafa toy izay ny vadiny. Eto ny "olon-tiana" dia manondro ireo firenena hafa. Nifandray tamin'izy ireo ireo Israelita ary nanompo ireo andriamanitr'izy ireo raha tokony nahatoky an'i Yaveh.

Tsy hitady anao izy ireo

"tsy te ho namanao intsony izy ireo"

fa efa nandratra anao tamin'ny ferin'ny fahavalo

Midika izany fa Yaveh dia nitondra ny olony toy ny nitondrany ireo fahavalony.

ahoana ianao no miantso vonjy nohon'ny ratranao

Nametra-panontaniana Yaveh teto mba ampisainana ireo olona momban'ny antony hiantson'izy ireo vonjy ankehitriny. DH: "Aza miantso vonjy noho ireo ratranao."

ireo fahotanao tsy tambo isaina

" ireo otanao izay be loatra ka tsy voaisa intsony"