# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh. # ireo olon-tianao rehetra Yaveh dia mamaritra an'Israely ho toy ny vehivavy mampirafy izay maka olon-tiana hafa toy izay ny vadiny. Eto ny "olon-tiana" dia manondro ireo firenena hafa. Nifandray tamin'izy ireo ireo Israelita ary nanompo ireo andriamanitr'izy ireo raha tokony nahatoky an'i Yaveh. # Tsy hitady anao izy ireo "tsy te ho namanao intsony izy ireo" # fa efa nandratra anao tamin'ny ferin'ny fahavalo Midika izany fa Yaveh dia nitondra ny olony toy ny nitondrany ireo fahavalony. # ahoana ianao no miantso vonjy nohon'ny ratranao Nametra-panontaniana Yaveh teto mba ampisainana ireo olona momban'ny antony hiantson'izy ireo vonjy ankehitriny. DH: "Aza miantso vonjy noho ireo ratranao." # ireo fahotanao tsy tambo isaina " ireo otanao izay be loatra ka tsy voaisa intsony"