plt_tn/isa/61/10.md

1.2 KiB

Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho

Ny "aho" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra izay resahina toy ny hoe olona izay naverin'i Yaveh tamin'ny laoniny indray.

nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana

Ny vahoakan'Andriamanitra izay resahina toy ny olona iray dia mahazo famonjena sy fahamarinana ho endrika hitan'ny rehetra maso ankehitriny. Ny "fitafiana" sy ny "akanjo lava" dia fitafiana izay hitan'ny olona rehetra.

toy ny mpampakatra mandravaka ny tenany amin'ny hamama, ary toy ny ampakarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany

Io fampitahana io dia manindry fa tena faly loatra, ravo loatra, ary mankalaza loatra ilay olona miteny.

hamama

Adikao tahaka ny tao amin'ny 61:3 io.

Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy

Io dia milaza zavatra mitovy amin'ny fomba roa. Ny rehetra izay lazain'Andriamanitra fa hataony izay hitranga tokoa dia ampitahaina amin'ny voa mitsimoka ao amin'ny saha mba hitsimoka amin'ny tany ary haniry"

hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana

Io dia fiteny izay manoritsoritra ireo hatsaran-toetra ireo toy ny hoe maniry avy amin'ny voa tahaka ny zava-maniry izany.