plt_tn/isa/61/10.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho
Ny "aho" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra izay resahina toy ny hoe olona izay naverin'i Yaveh tamin'ny laoniny indray.
# nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana
Ny vahoakan'Andriamanitra izay resahina toy ny olona iray dia mahazo famonjena sy fahamarinana ho endrika hitan'ny rehetra maso ankehitriny. Ny "fitafiana" sy ny "akanjo lava" dia fitafiana izay hitan'ny olona rehetra.
# toy ny mpampakatra mandravaka ny tenany amin'ny hamama, ary toy ny ampakarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany
Io fampitahana io dia manindry fa tena faly loatra, ravo loatra, ary mankalaza loatra ilay olona miteny.
# hamama
Adikao tahaka ny tao amin'ny 61:3 io.
# Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy
Io dia milaza zavatra mitovy amin'ny fomba roa. Ny rehetra izay lazain'Andriamanitra fa hataony izay hitranga tokoa dia ampitahaina amin'ny voa mitsimoka ao amin'ny saha mba hitsimoka amin'ny tany ary haniry"
# hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana
Io dia fiteny izay manoritsoritra ireo hatsaran-toetra ireo toy ny hoe maniry avy amin'ny voa tahaka ny zava-maniry izany.