plt_tn/isa/59/03.md

836 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia.

Fa voaloton'ny rà ny tananareo ary ny rantsan-tananareo voaloton'ny fahotana

Eto ny "tanana" sy "rantsan-tanana" dia manondro ny asan'izy ireo. Io dia midika fa meloka tamin'ny fanaovana herisetra sy zavatra feno fahotana izy ireo. DH: "Fa nanao fahotana tena ratsy ianareo"

Milaza lainga ny molotrareo ary ny lelanareo miteny amin-kafetsena

Ny rantsam-batana izay miteny dia manambara izay lazain'ny olona. DH: "Miteny lainga sy zava-petsy ianareo"

lainga no torotoroniny ary fahotana no aterany

Ny "fanorotoronana" sy "fiterahana" dia manindry hoe tena nikasa ny hanao zavatra feno fahotana izy ireo. Eto ny hoe "izy ireo" dia mbola manondro ny vahoakan'Israely ihany. DH: "miasa mafy mba hanao zavatra feno fahotana izy ireo"