plt_tn/isa/51/23.md

20 lines
1011 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh.
# Hataoko eo an-tanan'ny mpampijaly anao izany
Io dia miresaka an'i Yaveh manasazy ny fahavalon'izy ireo toy ny hoe hanery azy ireo mba hisotro amin'ny kapoaka feno ny hatezerany Izy.
# Hataoko eo an-tanan'ny mpampijaly anao izany
Mazava fa amin'ny fametrahana ny kapoaky ny hatezerany eo an-tanan'izy ireo dia hanery azy ireo hisotro izay ao anatin'ilay kapoaka Yaveh. DH: "Hanery ireo mpampijaly anareo hisotro amin'ny divay ao amin'ny lovian'ny hatezerako Aho"
# mpampijaly anao
Ny teny hoe "mpampijaly" dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "ireo izay mampijaly anao" na "ireo izay nahatonga anao hijaly"
# nataonao ho toy ny tany sy toy ny lalana handehanan'izy ireo ny lamosinao
Io dia mampitaha ny fomba handehan'ny fahavalon'izy ireo eo an-damosiny amin'ny fomba handehanan'ny olona amin'ny lalana. DH: "nitsilany teo amin'ireo lalana ianao mba ahafahan'ireo fahavalo mandeha eo amin'ny lamosinao"