plt_tn/isa/50/08.md

16 lines
848 B
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.
# Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana...Iza no mpiampanga ahy? Aoka izy hanakaiky
Mampiasa ireo fanontaniana ireo ilay mpanompo mba hanindriana fa tsy misy afaka miampanga azy amin'ny ara-dalàna amin'ny fanaovan-dratsy. DH: "Raha misy olona hanohitra ahy, andeha isika hitsangana...Raha misy olona hiampanga ahy, aoka izy ho tonga"
# Iza no hanameloka ahy?
Mampiasa io fanontaniana io ilay mpanompo mba hilazana fa tsy misy olona afaka milaza fa meloka izy. DH: "Tsy misy olona izay afaka milaza fa meloka aho."
# Indro, ho rovitra tahaka ny akanjo izy rehetra ireo; ho lanin'ny kalalao ireo
Ny hoe tsy misy olona tavela mba hiampanga ilay mpanompo ho meloka dia resahina toy ny hoe akanjo manify izay anaovana ary lanin'ny kalalao ireo mpiampanga.