plt_tn/isa/50/08.md

848 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.

Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana...Iza no mpiampanga ahy? Aoka izy hanakaiky

Mampiasa ireo fanontaniana ireo ilay mpanompo mba hanindriana fa tsy misy afaka miampanga azy amin'ny ara-dalàna amin'ny fanaovan-dratsy. DH: "Raha misy olona hanohitra ahy, andeha isika hitsangana...Raha misy olona hiampanga ahy, aoka izy ho tonga"

Iza no hanameloka ahy?

Mampiasa io fanontaniana io ilay mpanompo mba hilazana fa tsy misy olona afaka milaza fa meloka izy. DH: "Tsy misy olona izay afaka milaza fa meloka aho."

Indro, ho rovitra tahaka ny akanjo izy rehetra ireo; ho lanin'ny kalalao ireo

Ny hoe tsy misy olona tavela mba hiampanga ilay mpanompo ho meloka dia resahina toy ny hoe akanjo manify izay anaovana ary lanin'ny kalalao ireo mpiampanga.