plt_tn/isa/50/07.md

698 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh.

noho izany dia tsy ho afa-baraka aho

Na dia nampijaliana aza ilay mpanompo, dia tsy ho menatra izy satria nankatoa an'i Yaveh. DH: "noho izany dia tsy ho menatra aho"

koa dia efa nanao ny tarehiko ho afovato aho

Eto ny hoe "tarehy" dia manondro ilay mpanompo. Ilay mpanompo voatendry mafy hankatoa an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe mafy tahaka ny afovato ny tarehiny. DH: "koa tena voatendry tokoa aho"

satria fantatro fa tsy ho alàna baraka aho

Mijery ny hoavy am-pahatokiana, am-pilaminana amin'ny antson'i Yaveh ilay mpanompo. DH: "satria fantatro fa tsy hahavita hanala baraka ahy ireo fahavaloko"