plt_tn/isa/49/21.md

989 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.

Iza no niteraka ireto zaza ireto ho ahy?

Ny vahoaka izay niverina nipetraka tany amin'ny tanàna dia resahin'i Ziona toy ny hoe zanany ireo olona ireo. Ny fanontanian'i Ziona dia manambara ny fahatairany fa zaza marobe no azy ankehitriny.

Fa nidonam-pahoriana sy momba aho, natao sesitany ary nisara-panambadiana

Manoritsoritra ny tenany toy ny vehivavy tsy afaka miteraka intsony i Ziona. Manondro ny antony mahagaga be azy izy.

Fa nidonam-pahoriana sy momba aho

"Nisaona noho ny zanako maty aho ary tsy nanana hafa intsony"

natao sesitany ary nisara-panambadiana

"Noroahina tsy nanambady aho"

Iza no nanangana ireo ankizy ireo? Indro, navela irery tokoa aho; avy aiza no niavian'ireo?

Mbola mampiasa fanontaniana indray Ziona mba hanambarana ny fahatairany. DH: "Indro, tavela irery aho; ireo zaza rehetra izay tsy natsangako ireo dia tonga eto amiko ankehitriny."