plt_tn/isa/49/19.md

951 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'i Ziona toy ny hoe vehivavy Yaveh.

Na dia foana sy lao aza ianao

Ny teny hoe "foana" sy "lao" dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa nandrava an'i Ziona ary namela izany ho foana ny fahavalo. DH: "Na dia lao tanteraka aza ianao"

ireo izay nihinana anao

Ny fandravan'ny fahavalo an'i Ziona dia resahina toy ny hoe nihinana izany izy ireo. DH: "ireo izay nandrava anao"

Ny zaza izay teraka mandritra ny fotoanan'ny alahelonao

Ny fotoana izay naha-sesitany ny vahoakan'i Jerosalema dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nalahelo ny zanany ny tanàna. Ireo izay teraka raha mbola tany an-tsesitany ny vahoaka dia resahina toy ny hoe zanaky ny tanàna izy ireo. DH: "Ireo izay hampitoetra anao, izay teraka raha mbola tany an-tsesitany ny vahoaka"

Tery loatra ho anay ny toerana

Midika izany fa hisy olona maro be ka ho kely loatra ho azy ireo ny tanàna raha hipetrahana.