plt_tn/isa/47/01.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Amin'ity toko ity, dia miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka Yaveh.

mipetraha eo amin'ny vovoka, ry zanaka vavy virjinin'i Babylona; mipetraha eo amin'ny tany...ry zanaka vavin'ny Kaldeana.

Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny fipetrahana eo amin'ny vovoka dia mariky ny fahafaham-baraka.

zanaka vavy virjinin'i Babylona...zanaka vavin'ny Kaldeana

Ireo andianteny ireo dia samy manondro ny tanàna, i Babylona, izay resahina toy ny hoe zanaka vavy avokoa. Ny tanàna hoe "zanaka vavy" dia manondro ny fiheveran'ny olona azy tam-pitiavana.

tsy misy fiandrianana

Eto ny hoe "fiandrianana" dia manondro ny fahefana mba hanapaka. DH: "tsy misy fahefana mba hanapaka"

Tsy ho antsoina hoe marefo sy mihantahanta intsony ianareo

DH: "Tsy hiantso anareo hoe marefo sy mihantahanta intsony ny olona"

marefo sy mihantahanta

Ireo teny roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Manoritsoritra ny iray izay tsara sy miaina ao amin'ny mihaja tokoa ireo. DH: "tena tsara" na "tena mihaja"

fikosoham-bary

vato lehibe nampiasaina mba hitotoana vary