plt_tn/isa/45/16.md

20 lines
1013 B
Markdown

# Hiaraka ho menatra sy ho afa-baraka avokoa izy ireo; ireo izay manao sampy voasokitra dia handeha amin'ny fahafaham-baraka
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany, ary ny faharoa dia manazava ny anton'ilay voalohany.
# Hiaraka ho menatra sy ho afa-baraka avokoa izy ireo
Ny teny hoe "menatra" sy "afa-baraka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manindry ny herin'ny fahamenarana. DH: "Hamela azy ireo ho menatra tanteraka ny sampin'izy ireo"
# handeha amin'ny fahafaham-baraka
Ny fiainana ao amin'ny fahafaham-baraka hatrany hatrany dia resahina toy ny hoe fandehanana amin'ny fahafaham-baraka izany. DH: "ho afa-baraka hatrany hatrany"
# ho avotan'i Yaveh amin'ny famonjena mandrakizay Israely
DH: "Hanavotra ny vahoakan'Israely Yaveh"
# tsy ho menatra na ho afa-baraka intsony ianareo
Eto ny hoe "ianao" dia manondro ny vahoakan'Israely. Ny teny hoe "menatra" sy "afa-baraka" dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. DH: "Tsy misy hanala-baraka anareo intsony"