plt_tn/isa/45/13.md

1011 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miteny Yaveh.

Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana

Eto ny teny hoe "fahamarinana" dia manondro ny asa marina. Ireo mety ho heviny dia 1) fa Yaveh no nanentana an'i Kyrosy mba hanao zavatra marina na 2) fa Yaveh no marina ka nanentana an'i Kyrosy.

Izaho no nanentana an'i Kyrosy

Ny fanaovana an'i Kyrosy hiasa dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namoha azy tamin'ny faharendrehany izany.

Izaho no hanalama ny lalany rehetra

Ny fanalana ireo sakana sy fanaovana an'i Kyrosy hahomby dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanao ny lalana izay andehanany ho malama Izy.

Izy no hanangana ny tanànako

Io dia manondro an'i Jerosalema.

ary tsy misy vidiny na kolikoly

Eto ny teny hoe "vidy" sy "kolikoly" dia midika zavatra iray ihany. Tsy hanao ireo zavatra ireo nohon'ny tombotsoa ara-bola i Kyrosy. DH: "ary tsy hanao ireo zavatra ireo noho ny vola izy"

Yaveh tompon'ny maro

Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 io andianteny io.