plt_tn/isa/45/13.md

28 lines
1011 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miteny Yaveh.
# Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana
Eto ny teny hoe "fahamarinana" dia manondro ny asa marina. Ireo mety ho heviny dia 1) fa Yaveh no nanentana an'i Kyrosy mba hanao zavatra marina na 2) fa Yaveh no marina ka nanentana an'i Kyrosy.
# Izaho no nanentana an'i Kyrosy
Ny fanaovana an'i Kyrosy hiasa dia resahin'i Yaveh toy ny hoe namoha azy tamin'ny faharendrehany izany.
# Izaho no hanalama ny lalany rehetra
Ny fanalana ireo sakana sy fanaovana an'i Kyrosy hahomby dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nanao ny lalana izay andehanany ho malama Izy.
# Izy no hanangana ny tanànako
Io dia manondro an'i Jerosalema.
# ary tsy misy vidiny na kolikoly
Eto ny teny hoe "vidy" sy "kolikoly" dia midika zavatra iray ihany. Tsy hanao ireo zavatra ireo nohon'ny tombotsoa ara-bola i Kyrosy. DH: "ary tsy hanao ireo zavatra ireo noho ny vola izy"
# Yaveh tompon'ny maro
Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 io andianteny io.