plt_tn/isa/40/21.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra Yaveh.

Tsy fantatrareo ve? Tsy mbola henonareo ve? Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany? Tsy efa takatrareo ve izany tamin'ny fanorenana ny tany?

Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hanindriana fa tokony hahafantatra ny halebiazan'i Yaveh amin'ny maha-mpamorona Azy ny vahoaka. DH: "Fantatrao tokoa ary renareo tokoa! Efa nolazaina taminareo hatrany am-boalohany; efa takatrareo hatramin'ny fiorenan'ny tany!''

Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany?

DH: "Tsy mbola nisy olona nilaza taminareo hatrany am-piandohana ve?"

tamin'ny fanorenana ny tany

Miresaka an'i Yaveh mamorona ny tany ny mpaminany toy ny hoe trano izay naorin'i Yaveh ny fotony. DH: "hatramin'ny fotoana izay namoronan'i Yaveh ny tany"

Izy ilay tokana mipetraka ambonin'ny habakabaka eto an-tany

Yaveh manapaka ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny tany Yaveh.

ny mponina dia toy ny valala eo anatrehany

Mampitaha ny fomba handraisan'i Yaveh ny olombelona amin'ny fomba handraisan'ny olombelona ireo valala ny mpaminany. Tahaka ny hakelin'ny valala amin'ny olombelona, no maha-kely sy maha-malemy ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra.

Nandrovitra ny lanitra toy ny lamba Izy ary nanaparitaka ireo toy ny lay hipetrahana

Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny famoronan'i Yaveh ny lanitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nanenjana ny lay izay hitoerany Izy. DH: "Namelatra ny lanitra mora foana toy ny olona izay mamelatra ny lamba na manenjana ny lay izay hitoerana Izy"