forked from WA-Catalog/plt_tn
28 lines
1.6 KiB
Markdown
28 lines
1.6 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Andriamanitra Yaveh.
|
||
|
|
||
|
# Tsy fantatrareo ve? Tsy mbola henonareo ve? Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany? Tsy efa takatrareo ve izany tamin'ny fanorenana ny tany?
|
||
|
|
||
|
Mampiasa ireo fanontaniana ireo Isaia mba hanindriana fa tokony hahafantatra ny halebiazan'i Yaveh amin'ny maha-mpamorona Azy ny vahoaka. DH: "Fantatrao tokoa ary renareo tokoa! Efa nolazaina taminareo hatrany am-boalohany; efa takatrareo hatramin'ny fiorenan'ny tany!''
|
||
|
|
||
|
# Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany?
|
||
|
|
||
|
DH: "Tsy mbola nisy olona nilaza taminareo hatrany am-piandohana ve?"
|
||
|
|
||
|
# tamin'ny fanorenana ny tany
|
||
|
|
||
|
Miresaka an'i Yaveh mamorona ny tany ny mpaminany toy ny hoe trano izay naorin'i Yaveh ny fotony. DH: "hatramin'ny fotoana izay namoronan'i Yaveh ny tany"
|
||
|
|
||
|
# Izy ilay tokana mipetraka ambonin'ny habakabaka eto an-tany
|
||
|
|
||
|
Yaveh manapaka ny tany dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny tany Yaveh.
|
||
|
|
||
|
# ny mponina dia toy ny valala eo anatrehany
|
||
|
|
||
|
Mampitaha ny fomba handraisan'i Yaveh ny olombelona amin'ny fomba handraisan'ny olombelona ireo valala ny mpaminany. Tahaka ny hakelin'ny valala amin'ny olombelona, no maha-kely sy maha-malemy ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra.
|
||
|
|
||
|
# Nandrovitra ny lanitra toy ny lamba Izy ary nanaparitaka ireo toy ny lay hipetrahana
|
||
|
|
||
|
Ireo andalana roa ireo dia midika zavatra iray ihany. Ny famoronan'i Yaveh ny lanitra dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe nanenjana ny lay izay hitoerany Izy. DH: "Namelatra ny lanitra mora foana toy ny olona izay mamelatra ny lamba na manenjana ny lay izay hitoerana Izy"
|