plt_tn/isa/40/13.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mampiasa ireo fanontaniana ireo mba hanindriana ny mahatokana an'i Yaveh i Isaia.

Iza no efa nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, na nanoro lalana Azy toy ny mpanolotsainy?

Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa Yaveh irery ihany no afaka manao ireo zavatra ireo. DH: "Tsy misy olona nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, ary tsy misy olona nanoro lalana Azy toy ny mpanolotsainy.

nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh

Eto ny teny hoe "eritreritra" dia tsy manondro ny eritreritr'i Yaveh ihany, fa ireo faniriany sy fahazotoany ihany koa.

Avy amin'iza no efa nandraisany toro-lalana?

Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa tsy misy olona mbola nahavita izany. DH: "Tsy mbola nandray toro-lalana avy amin'olona Izy."

Iza no nampianatra Azy ny fomba fanaovana zavatra amin'ny tokony ho izy, ary nampianatra Azy fahalalana, na nampiseho Azy ny fomba fahatakarana?

Ireo fanontaniana ireo dia miandry valiny ratsy ary manindry fa tsy misy olona mbola nahavita izany. DH: "Tsy misy olona nampianatra Azy ny tena fomba hanaovana ireo zavatra ireo. Tsy misy olona naneho Azy ny fomba hahatakarana."