plt_tn/isa/40/06.md

1.2 KiB

Ahitra ny nofo rehetra

Ny teny hoe "nofo" dia manondro ny olona. Miresaka ny olombelona toy ny hoe ahitra ny olona miteny, satria samy ho faty faingana avokoa ireo. DH: "Tahaka ny ahitra avokoa ny olona rehetra"

toy ny voninkazo eny an-tsaha ny fifaneken'izy ireo

Mampitaha ny fanekena mahatoky izay an'ny olona amin'ny voninkazo izay mamony ary avy eo dia maty faingana ny olona miteny. DH: "tapitra vetivety monja, tahaka ny voninkazo any an-tsaha izay maty faingana ny fanekena mahatokin'izy ireo"

fifanekena

Ireo mety ho heviny dia 1) fanekena mahatoky na 2) hatsarana. Jereo ny nandikanao ny hoe "fanekena mahatoky" ao amin'ny 16:5.

rehefa mitsoka izany ny fofon'ain'i Yaveh

Ireo mety ho heviny dia 1) "rehefa mitsoka izany amin'ny fofon'ainy Yaveh" na 2) "rehefa mandefa ny rivotra mba hitsoka izany Yaveh."

ahitra ny olombelona

Miresaka ny olombelona toy ny hoe ahitra ny olona miteny, satria samy ho faty faingana avokoa ireo. DH: "maty faingana tahaka ny ahitra ny olona"

ny tenin'ny Andriamanintsika dia hitoetra mandrakizay

Miresaka izay lazain'Andriamanitra izay maharitra mandrakizay toy ny hoe hitoetra mandrakizay ny teniny ny olona miteny. DH: "ireo zavatra izay lazain'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay"