plt_tn/isa/38/16.md

718 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.

averina amiko indray anie ny aiko

DH: "enga anie mba hamerina amiko ny aiko Ianao"

tamin'ny lavaky ny faharavana

Tsy maty Hezekia fa efa ho faty. Io dia manondro an'i Yaveh manavotra azy tsy ho faty. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "tsy ho faty ary tsy handeha ho any amin'ny lavaky ny faharavana aho" na "mba tsy ho faty aho"

fa efa nanipy ireo fahotako rehetra ho any an-damosinao Ianao

Miresaka an'i Yaveh mamela ny helony Hezekia toy ny hoe zavatra izay arian'i Yaveh any aoriany sy hadinoiny ireo. DH: "fa efa namela ny otako rehetra Ianao ary tsy mihevitra ny momba ireny intsony"