# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia. # averina amiko indray anie ny aiko DH: "enga anie mba hamerina amiko ny aiko Ianao" # tamin'ny lavaky ny faharavana Tsy maty Hezekia fa efa ho faty. Io dia manondro an'i Yaveh manavotra azy tsy ho faty. Ny hevitra fenon'io fanambarana io dia afaka atao mazava. DH: "tsy ho faty ary tsy handeha ho any amin'ny lavaky ny faharavana aho" na "mba tsy ho faty aho" # fa efa nanipy ireo fahotako rehetra ho any an-damosinao Ianao Miresaka an'i Yaveh mamela ny helony Hezekia toy ny hoe zavatra izay arian'i Yaveh any aoriany sy hadinoiny ireo. DH: "fa efa namela ny otako rehetra Ianao ary tsy mihevitra ny momba ireny intsony"