plt_tn/isa/38/12.md

28 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.
# Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko
Io dia miresaka ny fomba hanaperanan'i Yaveh faingana ny fiainan'i Hezekia amin'ny fampitahana izany amin'ny fomba hanesoran'ny mpiandry ondry ny lainy amin'ny tany. DH: "Nanala ny aiko faingana tahaka ny mpiandry ondry manorona ny lainy sy mitondra izany Yaveh"
# Nesorina...ny aiko
DH: "Nanala ny aiko Yaveh"
# naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao
Io dia miresaka ny fomba hanaperanan'i Yaveh faingana ny fiainan'i Hezekia amin'ny fampitahana izany amin'ny fomba izay hanapahan'ny mpanenona ny lambany amin'ny fitaovana fanenomana sy amin'ny fanoronana izany. DH: "nanapitra ny aiko faingana Ianao, tahaka ny mpanenona manety ny lambany amin'ny fitaovana fanenomana rehefa vita izany"
# manapaka...Ianao
Eto ny hoe "Ianao" dia manondro an'Andriamanitra.
# fitaovana fanenomana
fitaovana nampiasaina mba hanenomana kofehy mba hanamboarana akanjo
# tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra
Miresaka ny haben'ny fahoriany amin'ny fampitahana izany amin'ny vatany norotidrotehan'ny liona Hezekia. DH: "ny fahoriako dia tahaka ny hoe norotidrotehan'ny liona aho" (UDB)