plt_tn/isa/38/12.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola manohy ny vavaka nosoratany ihany Hezekia.

Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko

Io dia miresaka ny fomba hanaperanan'i Yaveh faingana ny fiainan'i Hezekia amin'ny fampitahana izany amin'ny fomba hanesoran'ny mpiandry ondry ny lainy amin'ny tany. DH: "Nanala ny aiko faingana tahaka ny mpiandry ondry manorona ny lainy sy mitondra izany Yaveh"

Nesorina...ny aiko

DH: "Nanala ny aiko Yaveh"

naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao

Io dia miresaka ny fomba hanaperanan'i Yaveh faingana ny fiainan'i Hezekia amin'ny fampitahana izany amin'ny fomba izay hanapahan'ny mpanenona ny lambany amin'ny fitaovana fanenomana sy amin'ny fanoronana izany. DH: "nanapitra ny aiko faingana Ianao, tahaka ny mpanenona manety ny lambany amin'ny fitaovana fanenomana rehefa vita izany"

manapaka...Ianao

Eto ny hoe "Ianao" dia manondro an'Andriamanitra.

fitaovana fanenomana

fitaovana nampiasaina mba hanenomana kofehy mba hanamboarana akanjo

tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra

Miresaka ny haben'ny fahoriany amin'ny fampitahana izany amin'ny vatany norotidrotehan'ny liona Hezekia. DH: "ny fahoriako dia tahaka ny hoe norotidrotehan'ny liona aho" (UDB)